Actualités

Fanendrena masoivoho Malagasy any ivelany Tsy mahamaika ny mpitondra


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Mibosesika ireo masoivoho vahiny tonga manatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa sy honina eto Madagasikara.

Ny mifanohitra amin’izay kosa no zavatra hita asehon’ny mpitondra fanjakana Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony tsy mamparisika ny filoham-pirenena izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanendrena ireo masoivohontsika any ivelany tao anatin’izay enim-bolana mahery nijoroan’ny governemanta izay. Anisan’ny olana ny resaka trano sy ny fampitaovana ny ao anatiny, araka ny tsilian-tsofina re. Eo am-piandrasana izany dia miroso amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny arofenitra ny fitondram-panjakana izay nanomboka omaly teny Anosy. Ilay teratany vahiny, ny profesora Louis Dussault, manampahaizana manokana momba ny Arofenitra no mitarika ny fampiofanana mandritra ny 5 andro. Tsy midika ho tsy fahaizana akory ny anton’ny atrikasa fa ho fanomanana sahady ireo dimby sy fara eo amin’ity sehatra ity, araka ny fanamarihana nentin’ny Sekretera jeneralin’ny MAE Randrianarivony Modeste tamin’ny fotoam-panokafana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT