Actualités

Fanehoan-kevitra sy famoaham-baovao Tandindomin-doza ny asa fanaovan-gazety


  • Talata 08 Oktobra 2019

Hatry ny omaly aloha dia tsy nisy ny hoe fampiantsoana hanaovana fanadihadiana na famoahana sazy, na fampitandremana mazava an-taratasy ilay gazety nambara fa namoaka vaovao tsy marina ny amin’ny hoe ferana ny fivoahan’ny vehivavy Malagasy any ivelany.V

 

 

oalohany nanakiana mafy io lahatsoratra nivoaka an-gazety io ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny vadiny Mialy Rajoelina ary nanamafy fa diso ny vaovao.Nitondra fanazavana avy eo ny ministeran’ny filaminam-bahoaka…tena niteraka resabe tokoa ilay raharaha ary nahatonga ny filoha nitsirika ny zava-misy teny Ivato mihitsy moa omaly.Nanokana lahatsoratra fialan-tsiny avy eo ilay gazety noho ny zavatra navoakany izay nanohintohina ny manampahefana sy ny mpamaky sasany.Izay ary izay ihany dia tapitra teo ny resaka.Nitarika adihevitra hafa eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety anefa iny tranga iray iny satria vao tsy ela akory no nisy mpanao gazety nomelohan’ny fitsarana handoa onitra 10 tapitrisa ariary fa hoe namoaka vaovao manala baraka ny foloalindahy sy manohintohina ny filaminana anatiny ka nosokajiana hoe “cybercriminalité” – ilay angidimby tao Mahamasina no fototry ny olana tamin’izay.Tsy nisy resaka be fa tonga dia voaantso teny amin’ny polisin’ny BC Anosy ireo mpanao gazety, niakatra fammpanoavana ary avy eo notsaraina sy namoahana didy avy hatrany.Toa misy mizana tsindrian’ilay ilay tranga hoy ny mpanao gazety niady hevitra : fa rehefa mpanao gazety iza izany no manao fialan-tsiny fotsiny dia milamina tsy misy arakaraka..ary rehefa mpanao gazety iza no miakatra fitsarana avy hatrany ? Tsy tokony lalàna mitovy ve no ampiharina raha misy tokoa ny hoe famoaham-baovao tsy mitombina na diso ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT