Nahavita soa aman-tsara ny fivoahana notanterahina tatsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy ireo 24 mianadahy mianaka manaraka fiofanana manokana eo anivon’ny YLTP hahafahan’izy ireo mandray andraikitra eto amin’ny firenena, indrindra fa amin’ny lafiny politika
. Betsaka ireo zavatra azo alain-tahaka ao amin’ny Nosy rahavavy Maurice azo hampiharina eto amintsika raha araka ny fanazavan-dRazafimandimby Rija, anisan’ireo mpianatra nandeha tany an-toerana. Ankoatra ny fahadiovan’ny tanàna sy ny fisian’ny jiro an-dalambe entina iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana dia notsindriany manokana ny fandrindrana ny fifamoivoizana, izay tena mbola olana goavana eto amintsika. Na olana iray aza mantsy miampita arabe amin’ny alalan’ny passage clouté atsy Maorisy dia mijanona ny fiara raha mifanohitra amin’izay ny antsika. Nambarany ihany koa fa maimaimpoana ny fitsaboan-tena sy ny fampianarana any an-toerana saingy mitaky vokatra mahomby avy amin’ny tsirairay avy kosa. Andrim-panjakana mahaleotena ihany koa ny Bianco any an-toerana izay antsoina hoe : ICAC ary vao roa volana lasa izay io andrim-panjakana io no nanagadra ny minisitry ny fampianarana raha araka ny fanazavan-dRazafimandimby Rija noho ny resaka kolikoly. Nofeheziny fa ambanin’ny lalàna avokoa ny olon-drehetra. Notsindriany ihany koa fa tsy maintsy manana anjara fanontaniana iray isan-kerinandro apetraka amin’ny mpitondra ny mpanohitra any an-toerana izay mivondrona anaty antoko iray hahafahana mifanome tanana ho fampandrosoana ny firenen’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.