Actualités

Fandrosoan’ny fianakaviana “Mila vehivavy vonona sy vanona”, hoy i Neny


  • Alarobia 09 Martsa 2016

Fomba miavaka no nentin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy omaly notarihin’ny Ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana sy ireo solombavambahoaka vehivavy maromaro.

 

 Tamin’ny alalan’ny diabe firaisankina niainga tetsy Mahamasina nentina nanatanjahan-tena kely no nisantarany izany nifarana tetsy amin’ny lapan’ny tanàna, lanonana notronin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo solombavambahoaka ary tompon’andraikitra lehilahy eo anivon’ny kaominina. Nitohy tamin’ny fanaovana « zumba » niarahan’ny vehivavy nifaly tamin’ny Ben’ny tanàna izany, ankoatra ny  fanafanana ny lanonana niarahana tamin’ireo mpanakanto maro samihafa. Niroso tamin’ny fizarana  loka sy mari-pankasitrahana ho an’ ireo vehivavy nisongadina tamin’ireo fifaninanana maro samihafa nokarakarain’ny kaominina  toy ny « rugby », ny tsipy kanetibe sy ny sasa lamba ny Ben’ny tanàna taorian’izany. Notsiahiviny tamin’ny fandraisam-pitenenana natao fa ny « vehivavy vanona sy vonona no afaka hampivelatra ny fiarahamonina sy ny fianakaviana » tahaka an-dRasalama sy Victoire Rasoamanarivo izay tokony ho fitaratra sy tanjona hapetraka ho an’ny rehetra. Ilaina ny fitaizana ny vahoaka hahay hiara-kiasa sy hiray hina ho an’ny Firenena. Ankoatra izay dia  nolazainy ihany koa fa ho fitsinjovana ny taranaka faramandimby, dia atao mipaka eny anivon’ny  fianakaviana tsirairay ny fampandrosoana ny tanàna izay tsy maintsy miaraka amin’ny fanofanana ny vehivavy hahafahana mampahafantatra ny zony.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT