Actualités

Fandroahana malagasy any Kaomôro Nisokatra ny fanadihadiana


  • Zoma 06 Septambra 2019

Manoloana ireo resaka samihafa miparitaka any anaty tambajotra sôsialy tato ho ato, mikasika ny famerenana ireo teratany malagasy any Kaomôro

 

 

, dia namoaka fanambarana ny minisiteran'ny raharaham-bahiny malagasy milaza fa efa mandeha ny fanadihadiana momba ity toe-draharaha ity. Misy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana hamotorana ny tena zava-misy marina. Araka ny fifanakalozam-baovao niarahana tamin’ireto farany, fantatra fa ny ampahany amin’ireo teratany malagasy voakasik’ity raharaha ity dia tsy manana ny taratasy fahazoan-dalana hiditra sy hivahiny any an-toerana. Misy amin’izy ireo kosa, manana taratasy fahazoan-dalana mazava tsara, saingy tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy hiverenany an-tanindrazana, izay tsy maintsy hananana eo am-pelatanana mandrakariva mandritra ny fotoana hivahinianana any ivelany. Taorian'ny fifampidinihana teo amin'ny firenena roa tonta, dia mitohy hatrany ny fanadihadiana any Kaomôro sy eto Madagasikara, mba hanazavana ny toe-draharaha sy hiantohana ny fanarahan-dalàna ary ny fampiharana ireo fitsipika mifehy ity resaka fandroahana ity. Ankoatra izay, misy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny goverinemanta roa tonta, mba hampitsaharana ny fisian'ny fanondranana olona an-tsokosoko, sy ny fifindra-monina tsy ara-dalàna izay mahazo vahana tato ho ato, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT