Actualités

Fandripahana ala tsy ara-dalŕna Azo fantarina amin’ny rindram-baiko «smart»


  • Alatsinainy 21 Septambra 2015

Ao anatin’ny fomba fiasan’izao tontolo izao ny fametrahana ny mangarahara izay hirotsahan’ny mpamatsy vola an-tsehatra tahaka ny tohana fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanana miaro ireo valanjavaboary amin’ny fifehezana ny hairaha avo lenta.

 


 

 Tafiditra ao anatin’izany ny atrikasa nokarakarain’ny «Wild Conservation Society» ho fanatsarana ny fanangonam-baovao tanterahan’ireo mpanao fisafoana any anaty ala eto Madagasikara. Efa miasa eto amintsika rahateo hatramin’ny volana aprily 2014 ny rindram-baiko «smart». Fitaovana ao anaty solosaina izy io hitahirizana, hikirakirana ara-kajy ireo antontan-kevitra momba ny fitsirihana ny ala. Tombony lehibe amin’ny fampiasana ity «logiciel» vaovao ity moa ny fahafahana mampitovy ny fikirakirana ny tontolon’ny ala manerana ny nosy. Manampy betsaka amin’ny fahafantarana ny zava-misy marina tahaka ny fandripahana ala tsy ara-dalàna any amin’ireo faritra rehetra ao anatin’ny fotoana fohy sy haingana, indrindra ireo sokajiana ho toerana voaaro manerantany ny fananan’ny firenena toa an’i Madagasikara azy ity, hoy ny profesora ara-tsiansa eo anivon’ny WCS Andrianarimisa Aristide. Mankany amin’ny fanjakana mpanapa-kevitra avokoa ireo antontan-kevitra momba ny ala rehetra ireo, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra mpiaro ny tontolo iainana ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT