Mba ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny famerenana ny fitsipi-pifehezana anatiny, ny fanohizana ny zavatra efa natomboka tamin’ny taon-dasa ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly dia polisy 48 mianadahy no nosalorana galona
. Mitsinjara toy izao izy ireo : Contrôleur Général de Police ny fito ka vehivavy ny roa, Commissaire Divisionnaire de Police ny 21 ka vehivavy ny roa, Commissaire Principal de Police ny 11 ka vehivavy ny iray ary Commissaire de Police miisa sivy ny ambiny ka vehivavy ny iray. Lanonana teo ambany fiahian’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard. Izao no natao moa dia mba hanatanterahana sy hanatrarana hatrany ny vina izay napetraky ny polisim-pirenena eo am-panatanterahana sy fiantsorohana ny adidy napetraka aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.