Actualités

Fandriampahalemana Miverina ny fanamelohana ho faty ?


  • Sabotsy 25 Oktobra 2014

Tratran’ny polisy vao maraina ny alakamisy 23 oktobra 2014 ireto tanora mpangalatra efa matetika mampikaikaika ny mponina ao Toliara. Voatifitra ary maty tsy tra-drano izy roalahy. Nisento tokana ny mponin’i Toliara fa nihena ny jiolahy na izany aza toa lasa fahazaran’ny

mpitandro ny filaminana indray izao ity fitifirana ho faty avy hatrany, tsy mandalo Fitsarana ity. Sa io indray no endrika isehoan’ny fanamelohana ho faty eto Madagasikara ? Raha amin’ny tany mandroso mantsy dia izay fampiasana basy hamono ho faty izay no dingana farany ampiasaina, ary raha misy ratra indrindra fatiolona dia mandalo fanadihadiana anatiny sy eo anivon’ny Fitsarana mihitsy aza ilay mpitandro ny filaminana. Ny eto amintsika dia mifanohitra amin’izay, ka omena mari-pankasitrahana indray ireo dahalo milaza fa hibebaka ka amonoana omby.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT