Mihen-danja ny filaminana eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny krizy lavareny nanomboka tamin’ny taona 2009. Am-bava ihany sisa ilay hoe «fanjakana tan-dalàna» ho an’ny fiarahamonina Malagasy.
Mahatsiaro ho miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka mantsy ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny. Ankarihary be izao ohatra ireo karazana fanafihana sy halatra miaraka amin’ny fitaovam-piadiana eto an-drenivohitra. Tsy voafehy ihany koa ny fanafihan-dahalo tsy an-kijanona any amin’ny tapany atsimon’ny nosy. Olana goavana izay misy akony eo amin’ny lafiny ara-toekarena toy ny sakana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Hisy moa ny atrikasam-pirenena efatra andro iarahan’ireo mpisehatra ara-panjakana sy tsy miankina mahakasika ity filaminana sy fandriampahalemana eto Madagasikara ity manomboka anio eny amin’ny Ivontoerana fandraisana fikaonan-doha iraisam-pirenena Ivato ho fandravonana ireo soso-kevitra voangona teny anivon’ny faritra 22. Hivoaka aorian’izany ilay «Rindra Safatsiroa ny Sehatry ny Fandriampahalemana». Efa sasa-miandry paikady matotra sy mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy rahateo ny vahoaka manoloana ny firongatry ny tsy filaminana manerana ny nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.