Actualités

Fandravana trano teny Tsarasaotra-Ivato Arirarira hatrany ny vahoaka


  • Zoma 04 Novambra 2016

Mampimenomenona ny olona ny fanonerana ny fandravana trano sy fanotofana tanimbary teny Tsarasaotra-Ivato noho ny fanamboaran-dalana ilaina amin’ny frankofonia.

Manodidina ny 13 miliara ariary ny onitra tokony haloan’ny fanjakana amin’ireo olona 700 rava fananana saingy toa tsy mbola misy tokotaniny mandrak’ankehitriny. Nitondra fanazavana ny fanjakana tamin’ny alalan’i Gérard Andriamanohisoa, Tale jeneralin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany omaly. Tsy maintsy misy ny lamina arahina sy fanamarinana tsy maintsy atao amin’ny fanomezana fanonerana ny vola noho ny nandravana ny tranon’ireo mponina sy ny tanimbary nototofana, ka nahatonga azy ireo nitokona, hoy izy. Hampiandrasina ireo mponina izay efa tsy manan-kialofana ankehitriny ary arirarira amin’ny hoe mbola misy fanadihadiana. Tsy tokony ho nialoha ny fandravana fananan’olona ve no efa vita ny fandaminana sy fanamarinana ka nanonerana ny fandravana fa tsy izao vao mody harirarira ny olona ? Izany tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe atody tsy miady amam-bato ka tsy maintsy miaritra amin’ny sitrapon’ny fanjakana mpampahory vahoaka.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT