Actualités

Fandravana trano tao Tomboarivo Tsy afa-nanoatra ireo mponina fa tsy nanana taratasy


  • Alakamisy 11 Desambra 2014

Mitohy ny fandravana ireo trano niorina tsy ara-dalàna tamina tanin’olona tao amin’ny fokontany Tomboarivo Antsirabe. Raha tsiahivina, efa ela ity ady tany ity satria efa hatramin’ny taona 2006 no nihetsika.

Niezaka nitady fiarovana ny mba hitazonana ireo tany nitoerany ihany ireo mponina izay efa nitoetra teo nandritra ny 40 taona mahery saingy tsy avotra rehefa tsy nanana taratasy ara-dalàna ary niaiky izy ireo io andro io fa tena tsy nisy taratasy manamarina ny fananany ny tany fa saika hiantehitra tamin’ny fanamaintisa-molaly fotsiny izy ireo. Nanamafy izany ny Vaditanin’ny Fitsarana Antsirabe, Ny Maitre Randriambololona Ralisiarilala ka nanantitrantitra fa fampiharana ny didim-pitsarana nivoaka ny taona 2008 no ataon’izy ireo, izay tsy niova mihitsy izany na dia nampiakatra tany amin’ny fitsarana an-tampony aza ireo olona nibodo ny tany mitondra ny titre TN:386-P antsoina hoe “Le Premier” ireto, satria dia mbola fankatoavana ny fanesorana azy ireo ihany no didy nivoaka ny datin’ny 01 oktobra 2014 lasa teo, ka izao nampiharina izao. Ankoatra izay dia nanampy fanazavana ny tenany fa mbola misy trano am-polony tafo ihany koa mbola tratry ny didy fandravana ao amin’ilay Titre: TN:13.854-P izay mitondra ny anarana hoe: “Bel Horison”  izay tsy maintsy horavana ihany koa. Raha ny nambaran’ireo mponina hatrany moa dia tsy hitan’izy ireo intsony ny lalan-kombana satria efa mazava ny fandresen’ireo mpitory azy, izay mbola mitaky onitra ihany koa ka dia naleon’izy ireo aloha miala moramora ary azo antoka fa hanampy isa ireo tsy manan-kialofana indray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT