Trano miisa 30 be izao no indray narodan’ny Fitondram-panjakana tetsy Andohatapenaka ny Alakamisy lasa teo, tsy nisy niangana intsony.
Raha araka ny fitarainan’ireo tompon-trano dia ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany mihitsy no nandefa tompon’andraikitra nitondra ny taratasy fampilazana mba handravana ny trano ka tsy niandry ela fa ora vitsy monja taorian’izay dia natao ny fandrodanana. Tsy nisy afa-nanoatra izy ireo fa samy niala avokoa ka ny sasany lasa nipetraka any amin’ny havany raha nihantran’ny namany kosa ny hafa. Raha araka ny fanazavan’ny mpisolovavan’izy ireo anefa dia tokony ho 48 ora aorian’ny fahazoan’ny tompon-trano ny taratasy fampilazana vao mandeha ny fandrodanana mba hahafahan’izy ireo miomana. Tsy ilaina amin’ny fananganana ilay “village de la Francophonie” etsy Andohatapenaka anefa ity tany ity raha ny fahafantaran’ireo tompon-trano azy hatrany. Nanambara moa izy ireo fa tsy hijanona amin’izao fa tsy maintsy hiady ka anisan’ny fepetra horaisiny ny fangatahana amin’ny fanjakana ny mba hamerenana amin’ny laoniny ny tranony, tanim-panjakana izay efa nohajariany nandritra ny 30 taona latsaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.