Fianakaviana manodidina ny 200 eo ho eo indray izany no hamoy ny fialofany mandritry ny taona maro ary mety ho mandrakizay mihitsy ato ho ato noho ny fihaonamben’ny frankofonia izay tsy haharitra raha tsy andro vitsivitsy monja amin’ny novambra.
Fantatra mantsy fa dia efa mananontanona indray ny fandravana ireo tranon’ny mponina izay manembantsembana ny fandaharan’asan’ny fanjakana amin’iny manodidina ny fiolanana eo Alarobia mihazo an’Ivandry iny izay mandalo ny lalan’ny Papa ka hatrany amin’ny fihaonana eo Andohamandry sy Ambodivonkely. Izany hoe, mampifandray ny boriborintany faha-5 sy faha-6 ao amin’ny kaominina an-drenivohitr’Antananarivo. Ankoatra ny trano fonenan’ireo mponina moa izany dia hisy toeram-pianarana ihany koa, raha ny fampitam-baovao, voakasik’ity fandravana ity. Milaza tsy hanaiky ny fandravana ireo mponina eny an-toerana ary nilaza fa tamin’ny alalan’ny petadrindrina no nafahafantaran’izy ireo ity tetikasa ity.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.