Lehilahy efatra no voasambotra voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny herisetra ka nandratra an’i Fernand Cello, mpanao gazetin’ny radio tsy miankina Radio Jupiter ao Ilakaka ny alin’ny alakamisy 28 janoary 2016.
Efa-dahy no nanao angaredona nidaroka ity mpanao gazety ity tao an-tranon’ny rahalahiny ka torana tsy nahatsiaro tena. Ny faritry ny lohany sy ny lamosiny no itarainany mafy. Naiditra hopitaly tao Ihosy izy, avy eo nakarina aty Antananarivo manohy fitsaboana. Natao “scanner” omaly ny lohany, ary tsy misy ahiana. Na izany aza ny fahavoazana amin’ny orony no mbola mila fitsaboana maharitraritra.
Lonilony politika taorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna no voalaza fa tao ambadik’ity herisetra ity. Nisy faly tamin’ny fahavoazan’ity mpanao gazety ity, ary nanao fety aza rehefa nisy nanely tsaho tao Ilakaka ny faran’ny herinandro teo fa nodimandry i Fernand Cello. Niditra nivantana tamin’ny antso an-telefaonina tao amin’ny Radio Jupiter iasany ity farany ny alahady teo, nandiso izany feo miely izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.