Actualités

Fandrarana ny tsipoapoaka Nanao fahadisoana indray ny mpitondra…


  • Alarobia 12 Jona 2019

Manamarika ny fetim-pirenena ny tsipoapoaka saingy manamafy ny tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa fa voarara ny fivarotana sy fanapoahana azy amin’izao fotoana.

 

 Mba ho fitandroana ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina no anton’io, ary mety miteraka fahasorenana ho an’ny rehetra rahateo, ankoatra ny mety ho fifangaroany amin’ny feom-basin’ny jiolahy manafika, ohatra. Saika ny ankamaroan’ny olona no mankasitraka ny fandrarana. Na izany aza, dia misy tsy fahamatoran’ny fanjakana. Mampidi-bola ao anatin’ny kitapombolam-panjakana amin’ny alalan’ny ladoany ny fampidirana azy ireny eto. Azo natao ny namoaka didim-panjakana nialoha nandrara ny fanafarana azy, izay ny sinoa no tena maro manao azy. Azo nogiazana dieny mbola teny amin’ny ladoany, mba hahafaha-mifehy azy kokoa. Tsy niraika tamin’izany ny mpitondra, fa toa manao dokotera aorian’ny fahafatesana. Fatiantoka ho an’ny mpanafatra sy ny mpaninjara mba saika haka tombony efa nanitsoka ny volany izany. Porofon’ny tsy fahaiza-mitantana sy petatoko hatrany io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT