Velon-taraina mafy ankehitriny ireo mpandraharaha maro mamoaka hazo kesika avy ao amin’ny faritry ny orinasa Fanalamanga ao Moramanga fa teny misy fitanilana ny fahazoana mamoaka ny vokatra avy ao amin’ity faritra ity.
Raha voafetra ho amin’ny 6 ora hariva mantsy isan’andro ny famoahana ireo hazo alain’ny mpandraharaha ao dia misy mpandraharaha iray afaka mamoaka ny azy foana na amin’ny firy alina na amin’ny firy alina noho izy sady mpandraharaha ny olom-boafidy avy any amin’ity distrika ity ary mbola vadina tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa ka tsy misy sahy misakana ny fiarany mihitsy amin’iny RN 44 hitondrany ny vokatra avoakany iny. Mangiiny fotsiny, hoy ny vaovao azo, ny fananany manokana “Parcelle” miisa 10 be izao ao amin’ity faritra famokarana hazo any Moramanga ity. Ny “Parcelle” 1 anefa dia fantatra fa mirefy 40 ka hatrany amin’ny 120 ha isan’isany.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.