Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.
Avy any Chine novokarin’ny orinasa “Sinotruck” izany, ka kasaina homena hampiasain’ny SAMVA mpitaona ny fako eto Antananarivo Renivohitra, raha ny loharanom-baovao hatrany. Tsy nahenoana resaka antso tolo-bidy ara-dalàna na “appel d’offre” anefa io resaka io. Mety miandry fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo no hamoahana izany hoenti-maka ny fon’ny mpifidy. Tsiahivina hatrany fa ny SAMVA dia eo ambany fiahian’ny fanjakana foibe amin’ny alalan’ny minisiteran’ny rano. Io izany no tsy mahavita ny asany na iniana tsy taomina mihitsy ny fako mba hoenti-manaratsy endrika tanteraka ny mpitantana ny kaominina Antananarivo. Midika io fa lasa “fako politika” ny resa-pako eto. Manana ny hoenti-manana sy ny fitaovana hitaomana ny fanjakana fa iniana tsy atao ny asa, mba hanaratsy endrika ny mpitantana ankehitriny amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka. Toa mifandraika amin’ny tenin’ny filoha Rajoelina tetsy Anosy ny 6 aogositra io hoe: ny resaka kandida dia tsy misy fahatahorana ho azy ireo na eto Antananarivo na manerana ny Nosy. Ny antso ataoko dia izao mba tiantsika ho maoderina ve ity renivohitr’i Madagasikara ity ? Tiantsika handroso ve ity Antananarivo tiantsika hatao maodely mangirana, madio,… ity ? Toa misintona ny sain’ny olona ankolaka hoe : fidio ny olonay dia esorinay ny fako izay adidinay ny mitaona azy fa raha tsy izany dia aleo ho maimbo eo Antananarivo ny ny vahoakany. Atao takalon’aina ve izany ny renivohitra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.