Actualités

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mikorontana ny fomba fiasa


  • Alarobia 06 Janoary 2016

Fihetsiketsehana fotsiny ve sa ahoana no nataon’ny fitondram-panjakana raha nanapa-kevitra fa hirotsaka an-tsehatra amin’ny fandraofana ny fako eto an-drenivohitra ny miaramila sy ny fiaran’ny tafika hanampy ny SAMVA,

 

satria herinandro aty aoriana dia tena mbola miaina ao anaty loto ny eto Antananarivo.Mbola tena feno fako misavovona sy maimbo ireo toerana nosokajiana ho faritra mena amin’ny fako tahaka ny eny Andravoahangy, Isotry, Anosibe,Anosipatrana…Tsy sanatria fanakianana be fahatany na filam-boatsiary ny anay fa tokony mba ireo fako misavovona am-povoan-tanàna no noesorina voalohany, hoy ny mponina miaina amin’ireo faritra ireo.Mampanontany tena ihany ilay fandrindrana ny fomba fiasa satria hita hoe tsy arakaraky ny habetsahan’ilay fitaovana sy vola navoaka ary ireo olona ampiasaina ny hadirin’ny asa vita.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT