Actualités

Fandraisan’i Madagasikara ny MCB Tour Hisy akony amin’ny sehatra fizahantany


  • Talata 08 Oktobra 2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany Parisy renivohitr’i Lafrantsa tamin’ny herinandro lasa teo ny fifaninanana Golf MCB Tour Championship Madagascar izay hotanterahina eto amin’ny firenena.

 

 

Tonga tany an-toerana ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Joel Randriamandranto. Fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa mandritra ny 3 taona amin’ny Marc Farry Organisation (MFO) izay tantanan’ny mpilalao matihanina amin’ny taranja Golf, Marc Farry no notanterahina tany.  Tonga nanome voninahitra ity fiaraha-miombon’antoka ity ihany koa ny filohan’ny Staysure Tour, Mark Aspland, ny minisitry ny fanatanjahantena frantsay Laura Fiesssel izay tena mpankafy ny taranja Golf naneho ny fahalebiazan’ity fiaraha-miasa nosoniavina ity. Amin’ny fisokafan’ny lalao famaranana amin’ny taom-pilalaovana 2019 no handraisan’i Madagasikara mpilalao malaza 40 avy amin’ny firenena maro eny amin’ny toeram-pilalaovana Golf Andakana. Nanambara ny minisitra fa efa vonona ny amin’ny fandraisana izany i Madagasikara na eo amin’ny lafiny trano fandraisam-bahiny na ny kianja filalaovana. Mandray anjara amin’ny fampahafantarana ity hetsika ity ihany koa ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany eto Madagasikara (ONTM) mba entina hampiroboroboana hatrany ny sehatra fizahantany Malagasy. Maro amin’ireo delegasiona ho avy mantsy no efa mikasa sahady hitsidika ireo baobaba, ny lemurien sy ireo toerana maro mampiavaka an’i Madagasikara. 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT