Actualités

Fandraisana ny Frankofonia Miady an-trano ny mpitondra


  • Zoma 16 Septambra 2016

Efa manomboka mazava ny resaka mikasika ny fanomanana ny fandraisantsika ny Frankofonia. Raha miezaka manafina ny zava-misy hatrany ny mpitondra amin’ny fanomanana rehetra izay tsy misy tomombana dia efa manomboka vaky barara ny resaka ankehitriny.

Tsy arakaraka ny nambaran’ny filoham-pirenena tao amin’ny fahitalavitra TV5 monde ny alarobia 14 septambra lasa teo mantsy ny zava-misy raha ny fanehoan-kevitry ny minisi-panjakana misahana ny programan’ny filoham-pirenena sy ny fampitaovana Narson Rafidimanana omaly. Raha nilaza ny Filoham-pirenena tany Frantsa fa efa vonona tanteraka ny zava-drehetra dia tsy niandry ela fa ny ampitson’iny ihany ny minisitra Narson Rafidimanana dia nanambara fa ny 90% amin’ny fandraisana ny COMESA no efa vonona raha toa ka ny 60% ho an’ny fandraisana ny frankofonia. Amin’ny fomba ahoana no hamitana ny 40% izay tsy ho vita ao anatin’ny 1 volana mahery kely ? Mifanipaka tanteraka ny nambaran’ny roa tonta. Efa manomboka toran-kovitra ny mpitondra ny firenena vokatry ny petatoko amin’ny fanomanana ny Fihaonana saingy mipoitra tsikelikely izao ny marina. Efa fatoran’ny teny nataony ireo mpitondra fanjakana ka manomboka mivadibadi-dela ny sasany ary ao ny te hanafina ny zava-misy marina ka miezaka mamafy lainga. Atoa Narson Rafidimanana aza moa dia vaky vava ary nanambara fa “tsy afaka ny hiteny hoe tsy maintsy vita”’ izay toa mandiso tanteraka ny filazan’ny lehibeny amin’ny fahatomombanan’ny zava-drehetra. Raha izao zava-misy izao no jerena dia hiteraka ady an-trano eo amin’ny samy mpitondra ity tantara ity ka ao ny hitsoaka sy hiala andraikitra mba tsy hibabena henatra ary ao ny tsy maintsy hiatrika ny faharendrehan’ny sambo. Ny tsy azo lavina, samy tsy afa-miala fa tompon’andraikitra amin’izao petatoko sy fahafaham-barakan’ny firenena izao ny mpitondra ankehitriny.


Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT