Miezaka mandamin-dresaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena manoloana ny tsikera mafy amin’ny fomba fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana.
Niteraka fitokonana goavana tao Manakara izany ary dia nofantsihin’ireo mpampianatra FRAM anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny biraon’ny Foibem-pitondran’ny fanabeazam-pirenena ao Manakara, ary niantso ny minisitra Paul Rabary izy ireo ho avy any Manakara hanome vahaolana. Tsy mitovy ny filana isam-paritra amin’ny mpampianatra. I Vatovavy Fitovinana izay misy fari-piadidiam-pampianarana enina dia tsy mitovy amin’ny Faritra Bongolava izay tsy misy afa-tsy fari-piadidiam-pampianarana roa. Koa tsy tokony hoferana ho 87 isaky ny fari-piadidiam-pampianarana ny mpampianatra FRAM , hoy ireo mpampianatra mitokona, raisina ho mpiasam-panjakana. Fantatra taorian’izay fa nampiantso delegasiona avy amin’ny mpitokona ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary hihaona aminy aty Antananarivo rahampitso alahady. Delegasiona ahiana mpampianatra FRAM enina mianadahy, ka telo avy any amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Vohipeno, iray avy any Mananjary, Manakara ary Ifanadiana, no hiakatra hihaona amin’ny minisitra araka ny fangatahan’ity farany, hitadiavana vahaolana miaraka manoloana ny fitakiana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.