Actualités

Fandraisana mpampianatra FRAM Hametraka olona roa isaky ny Cisco sy ny Dren ny ANEFFA


  • Talata 06 Desambra 2016

Mbola betsaka ny tsy mandeha amin’ny laoniny amin’ny fandraisan’ny fanjakana ireo mpampianatra FRAM miisa 10.000 isan-taona eto amintsika raisina ho mpiasam-panjakana.

 

 Anisan’ny voakasika ny any amin’ny faritra toy ny  tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe izay nisy mpampianatra valo lasibatra sy ny tany amin’ny distrikan’i Mitsinjo, hoy ny filoha nasionalin’ny ANEFFA Randrianjafy Elidio tamin’ny mpanao gazety omaly. Saika olon’izy ireo avokoa anefa ny ankamaroan’izy ireny, antony nanosika an-dry zareo hijoro ka nanapa-kevitra fa hametraka olona roa isaky ny Cisco sy ny Dren manomboka izao mba hanara-maso. Omaly dia nanatitra ny taratasy  misy ny anaran’ireo olona  hanatanteraka ny asa  teo anatrehan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary izy ireo, mialoha ny hanatontosan’ny fanjakana ny dingana fahefatra amin’ny fandraisana  mpampianatra FRAM  amin’ny taona 2017. Tanjona ny hisian’ny mangarahara marina amin’ny fandraisana mpampianatra FRAM ho lasa mpiasam-panjakana fa tsy izay tian’ny Cisco no hatao.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT