Actualités

FANDRAISANA MPAMPIANATRA FRAM Hametraka olona roa isaky ny Cisco sy ny Dren ny Aneffa


  • Talata 06 Desambra 2016

Mbola betsaka ny tsy mandeha amin’ny laoniny amin’ny fandraisan’ny fanjakana ireo mpampianatra FRAM miisa 10.000 isan-taona eto amintsika raisina ho mpiasam-panjakana

. Voakasik’izany ny any amin’ny faritra toy ny  tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe izay nisy mpampianatra valo lasibatra raha toraka izany ihany koa ny tany amin’ny distrikan’i Mitsinjo, raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny ANEFFA Randrianjafy Elidio tamin’ny mpanao gazety omaly. Saika olon’ny ANEFFA avokoa anefa ny ankamaroan’izy ireny, antony nanosika azy ireo hijoro ka nanapa-kevitra fa hametraka olona roa isaky ny Cisco sy ny Dren izy ireo manomboka izao mba hanara-maso izany. Tsy niandry ela izy ireo fa omaly ihany dia nanatitra ny taratasy  misy ny anaran’ireo olona  hanatanteraka ny asa  teo anatrehan’ny Ministry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary, mialohan’ny hanatontosan’ny fanjakana ny dingana faha-efatra amin’ny fandraisana  mpampianatra FRAM  amin’ny taona 2017 ho avy io. Tanjona raha araka ny fanazavany ny hisian’ny mangaraharaha marina amin’ny fandraisana mpampianatra FRAM ho lasa mpiasam-panjakana fa tsy izay tian’ny Cisco no hatao. Mikasika ny fijoroan’ilay groupement ANEFFA izay nitafa tamin’ny mpanao gazety ny herinandro teo dia nambarany fa olona nivoaka avy tao amin’ny ANEFFA ihany no nanatanteraka izany ary tsy nitady lavitra fa mbola nampiasa io anarana io hatrany. Na izany aza anefa dia nambaran-dRandrianjafy Elidio fa tsy vahaolana ny fifampitoriana noho izany tsy maintsy hisy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT