Mandeha ny hafatra sy ny fampilazana fiantsoana samy hafa fa misy ny fandraisana ireo zatovolahy nahavita fanompoam-pirenena horaisina miaramila raikitra any anaty tambajotran-tserasera any.
Sandoka na fisolokiana izay mandefa izay hafatra izay, hoy ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy (Cemgam), ny jeneraly Théophile. Nambarany fa zatovolahy 1 000 izay nahavita fanompoam-pirenena nandritry ny 24 volana no horaisin’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy, ho miaramila raikitra taorian’io fanompoana io, hoy izy. Ny Cemgam irery ihany koa no fantatra fa afaka manao sonia handraisana ireo zatovolahy ireo, ho miaramila raikitra. Fa raha misy ny filazana na fampitana hafatra any anaty fesiboky tambajotra hafa any, dia fisolokiana avy hatrany izany ary hisy ny fepetra horaisin’ny Etamazaorin’ny tafika malagasy, manoloana izay fisolokiana amin’ny alalan’ny Cemgam izay, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.