Nandiso fanantenana ny ankamaroan’ireo mpampianatra FRAM any Itasy ny fivoahan’ny lisitr’ireo noraisina ho mpiasam-panjakana, tafiditra amin’ireo 10.000 nampanantenain’ny Fanjakana fa horaisina amin’ity taom-pianarana 2014-2015 ity
87 isaky ny Fari-piadidiam-pampianarana no fitsinjarana nambaran’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny ampahany ihany aloha no nivoaka hatreto, saingy izao dia efa miakatra ny feo. 17, ka 7 amin’ny CEG ary 10 hotsinjaraina amin’ny EPP ny lisitra nivoaka ho an’ny Cisco Soavinandriana. Nisy vao herintaona no niasa dia voaray, hoy ny fanamarihana azo. Mitovy amin’izay koa ny fanamarihana voaray avy any Miarinarivo fa misy efa 10 taona niasana nefa tsy noraisina, ka mampametra-panontaniana sy velon’ahiahy izy ireo ny amin’ny masontsivana marina nisafidianana ireo noraisina ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.