Lohahevitra nanamarihan’ny Fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo renivohitra ny andron’ny vehivavy ny 8 marsa 2017 teo ny hoe «Vehivavy kristianina, antoky ny fampandrosoana».
Nandrafitra ny ampahany betsaka tamin’ny fankalazana teny Analakely moa ny asa fitoriana Filazantsara niaraka tamin’ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra. Manana adidy goavana amin’ny fampanatonana ny vahoaka amin’Andriamanitra rahateo ny mpitarika sy mpitondra isan-tsokajiny, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izay nohamafisin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace. Zava-dehibe tokoa mantsy ny fanatontosan’ny vehivavy manana andraikitra eto amin’ny firenena.Very maina anefa ny ezaka hatao raha tsy mitodika amin’Andriamanitra. Efa manana vehivavy Estera i Madagasikara fa mila havaozina na hatsaraina ny fandraisana andraikitry ny vehivavy Malagasy ho famaliana ny hetahetan’ny fiaraha-monina Malagasy, araka ny nambarany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.