Actualités

Fandrahonana ho faty Mandry an-driran’antsy ny mpanao gazety


  • Zoma 01 Aprily 2016

Tato ho ato dia asaritaky ny tsaho sy ny fanenjehana amin’ny tsy rariny ny asa fanaovan-gazety.

 

 Sarotra ny mamaritra hoe mpanao politika na tsia no manao azy ireny, satria ankehitriny dia toa afaka manosihosy sy manambany ny asa fanaovan-gazety ny olona rehetra. Raha tamin’ity taona 2016 ity dia nandrenesana fandrahonana mpanao gazety, fitoriana ary fanenjehana mihitsy.

Ny fandrahonana no betsaka, saingy zary efa mahazatra ny mpanao gazety ihany izany. Ho an’ny mpanao gazety ao amin’ny gazety mpiseho isan’andro Basy vava, dia vao nahazo fandrahonana ho faty indray ny sekreteran’ny fanoratana Hery Andriamitantsoa. Marihana fa iray volana lasa teo ho eo dia ny mpaka sary Bebert Andriamahery no nahazo fandrahonana hotifirina amin’ny basy. Hafatra tamin’ny E mail no naharaisana io fandrahonana io. Hafatra tamin’ny finday kosa no nahazoan’ny sekreteran’ny fanoratana ny fandrahonana. Miisa 9 ny fandrahonana ka ny iray farany amin’ireo no mandrahona ho faty. Laharana miafina moa no nandefasana ny hafatra ka sarotra ny hanondro olona ho nahavita izany. Ny vontoatin’ny fandrahonana rahateo dia tsy mazava loatra, fa toa fitakiana fialàna??? sy ny hoe mahaiza mipetraka…Na izany aza dia efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika an’io. Tsy voatery ho noho ny asa fanaovan-gazety ihany no mahatonga fandrahonana ho faty, fa eo koa ny fiaraha-monina mety entin’ny fialonana fotsiny izao. Eo koa ny fanehoan-kevitra tsy mitovy, mety mahatohina ny sasany ka ny fandrahonana ho faty angamba no heveriny ho vahaolana.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT