Manohy hatrany ny fitsidihany an’i Sina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Taorian’i Xiamen sy Guanzhou dia any Hong Kong indray nanomboka omaly izy.
Araka ny efa notaterina teto dia fihaonana sy fifampidinihana amina mpandraharaha, tompona orinasa matanjaka Sinoa no anton-diany. Araka ny angom-baovao natao dia mpandraharaha sy tompona orinasa eo amin’ny sehatry ny fanorenana, fitaterana, fitantanana banky, fampitaovana amin’ny seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina no anisan’ny nihaona tamin’i Marc Ravalomanana amin’izao diany any Sina izao. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny votoatin-dresaka saingy azo sary an-tsaina fa misy ifandraisany amin’ny orinasa Tiko.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.