Sangy ratsy sa misy olona tiana hosamborina indray ? Miverina indray ny fomba ratsin’ny mpitondra ao Antsirabe amin’izao fotoana. Niniana naely indray mantsy ny faramparan’ny herinadro teo fa hisy OPK na “Operation Karana” indray eto Antsirabe ary niparitaka, hono, ny trakta nilaza ny fisian’izany
. Nezahana ny nitady ilay trakta fa niala maina ny mpanao gazety ary tsy nisy sahy nijoro vavolombelona ho nahita izany tamin’ireo toerana voalaza fa nielezan’izany. Tonga tany am-pototsofin’ny mpitandro filaminana moa izany ka zaran’izy ireo koa aza mba misy hetsika atao hivezivezena eran’ny tanàna ihany koa, satria niha nafana rahateo ny tolona ao amin’ny Magro Antsirabe. Teo no nahalasa saina satria tamin’ny andron’ny lehiben’ny faritra teo aloha dia hevitra nisamborana ireo mpitarika tao amin’ny Magro ka nanagadrana azy ireo ny tsaho momba ny OPK toy izao ka asa na misy hifandraisany amin’izay fomba ratsy teo aloha izany izy ity. Ny karana rahateo moa araka ny re dia matahotra raha vao miely ny tsaho ka mamatsy solika sy vola ny mpitandro filaminana, hono. Niatrana teo anoloan’ny hotel des thermes moa ny Emmo-Reg ny zoma sy ny sabotsy ho fiatrehana izany, ankoatra ny ny fivezivezena amin’ny alalan’ny fiara eran’ny tanànan’Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.