Omaly no nanomboka niakatra fitsarana ireo olona miisa 37 voarohirohy tamin’ny fidarohana nahafaty teratany frantsay iray izay mpizahatany tany Nosy be sy teratany frantsay-italianina izay monina any Nosy be sy teratany Malagasy izay maty nodoran’ny fokonolona tany an-toerana ny volana oktobra 2013. Nisandoatry ny hatezerana ny mponina tany an-toerana raha nahita tovolahy kely 10 taona maty nampijaliana sady nahian’ny fiarahamonina ho nanaovana herisetra ara-nofo. Niantefa tamin’ireto vahiny ireto ny ahiahin’ny mponina ka izany no nahatonga azy ireo nisambotra azy telo. Marihina fa misy zandary roa ihany koa ao anatin’ireo vompangana ireo. Ny niampangana azy ireo indray dia ny tsy famonjena ain’olona tandindomin-doza ary iray loholona teo aloha izay voampanga ho nanao fanentanana nampisafoaka ny hatezeran’ny mponina. Efa nigadra teto Antananarivo ireto voampanga ireto izao miatrika ny fitsarana izay haharitra telo andro izao.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.