Actualités

Fandorana ny alan’i Fanalamanga Tena famotehana ny harem-pirenena tsotra izao


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Taitra tamin’ny torimasony ny zanak’i Mangoro noho ny fahamaizana mitranga ao anaty alan’i Fanalamanga ankehitriny ka namoaka fanambarana.

 

 

Misy mandoro ny atialan’i Fanalamanga noho ny disadisa misy eo amin’ny mponina manamorona ny ala izay tsy avelan’ny  “Chef de Zône centre” hampiasa  ny morona sy ny hazo novolen’izy ireo teny an-tsisin’ny ala lehibe izay fanaovan’izy ireo charbon hatramin’izay.  Tsy baiko avy amin’Atoa Tale Jeneraly, hoy ireto zanak’i Mangoro ireto,  ny fanenjehan’ny chef de zône centre an’ireo tantsaha manao Charbon entina amin’ny biskileta, ary koa ny ramatahora ataon’ireo mihevitra ho tompom-pahefana ao amin’ity orinasa ity nefa dia ny fitakiana fanalana azy amin’ny toerany no setrin’ny disadisa misy. Ampifangaroana amin’ny resaka politika tsotra izao ny resaka nefa tsy hitondra voka-tsoa ho an’ny mpiara-belona velively izany. Tsy misy mahazo tombony amin’ny fandoroana ala fa tena fandoroana fananam-pirenena an-kitsirano izao. Simba ny zanakazo vao novolena. Amin’ny maha olom-pirenena anay, hoy ireto nanao fanambarana dia sahinay ny milaza fa ny mpitantana ny Fanalamanga dia mandalo eo amin’ny toerany ihany fa ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka faramandimby no ho lasa lavenona miaraka amin’ny hevitra diso ataon’ny sasany. Tsy ekena ny fisintonana ny orinasa Fanalamanga hiditra anaty fantiantoka indray fa efa mba nisy  ny ezaka  nentin’ny ny mpitantana ankehitriny nanarenana azy tao anatin’ny taona vitsivitsy izay ary efa hita nisongadina indray ny fandrosoan’ny orinasa tato ho ato.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT