Actualités

Fandoavan-ketra Efa manomboka mavitrika ireo orinasa


  • Alarobia 12 Oktobra 2016

Efa manomboka mavitrika amin’ny fandoavan-ketra ireo orinasa eto amintsika raha araka ny fanazavan’Andriamatoa Iouri Garisse Razafindrakoto, tale jeneralin’ny hetra raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy omaly.

 

 Nosinganiny manokana tamin’izany ny “secteur financier” izay ahitana  ny banky .Tsy dia hahazoana hetra firy kosa ny orinasa afaka haba hoy hatrany izy nefa na izany aza nahitana fivoarana  lehibe  isika  eto Madagasikara mikasika izay fandoavan-ketra izay . Raha 19 % mantsy no tanjona napetraka hotratrarina tamin’ity taona 2016 ity dia tafakatra 21 % izany izay hoe : nihoatra 2 %. Na izany aza tsy hijanona hatreo izy ireo fa hiezaka hitady ireo karazana paikady sy fomba hanatsarana ny fampidiran-ketra eto amintsika, antony nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ilay seminera momba ny hetra notanterahina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina. Firenena miisa 15 mivondrona ao anatin’ny fikambanana CREDAF ( Centre de Rencontres et d’Etudes des dirigeants des Administrations Fiscales)  no  nandray anjara tamin’izany ka anisan’ny tanjona notratrarina ny nahafahan’ny tsirairay nifanakalo traikefa tamin’izay fomba fitakiana hetra izay mba hampavitrika ireo tokony handoa izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT