Actualités

Fandidiana an’i ERIC FOU HEHY Mbola mitady vola 301 tapitrisa ariary


  • Talata 19 Febroary 2019

Raha efa samy nanantena ny rehetra fa efa tokony ho vita fandidiana i Eric Fou hehy, fito volana taorian’ny nahalasanany tany Inde, hanaovana ilay fanoloana voa dia tsy mbola tanteraka izany hatramin’ny omaly.

 

 Raha araka ny fanazavana nentina tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia  notakian’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny hopitaly tokony handidiana azy tao Inde indray ny  taratasy avy amin’ny fitsarana manamarina fa tena manaiky ny hanome ny voany ho an’i Eric Fou hehy marina ny vady andefimandriny. Ity farany mantsy no manaraka azy any an-toerana ary nanaiky fa hanome ny voany ho an’ny vadiny. Miparitaka loatra, hono, mantsy ny fangalarana taova any an-toerana ka tsy maintsy hanaovana taratasy mazava hisorohana ny olana mety hitranga. Ankehitriny vao miomana amin’ny fandidiana azy amin’izay i Eric sy ny fianakaviany. Ankoatr’izay dia misy fahasimbany ihany koa ny atin’i Eric ka izay no mampidangana ny saran’ny fitsaboana.Vola mitentina 75.000 euros na 301 350 000 ariary eo ho eo no ilaina satria dia soloina ihany koa ny atiny efa samba be. Ny laharan-tariby +91 70 39 33 76 41 moa no ahazoana an’i Eric mivantana any Inde raha ny laharana 032 62 859 25 na 034 82 318 15 kosa no hahafahana mandefa ny fanampiana ho antsika eto an-toerana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT