Actualités

Fandehanana amin’ny fiaramanidina Mila fahamailoana ny fitondrana entan’olona


  • Talata 05 Novambra 2019

Mila fahamailoana sy fitandremana ny entana hoentina rehefa handeha fiaramanidina eto Madagasikara. Maro ny olona velon-taraina fa efa tratra am-pitaka. Tahaka izao no fitrangany :

 

 matetika misy ireo olona milaza fa mila mandefa entana any amin’ny fianakaviana any ivelany, entana ihany fa ilay olona tsy mandeha. Manontany izy raha mbola mahazaka ianao, mividy kilao moa no voambolana filaza ilay izy. Arakaraka ny hifanarahan’ilay manome ny entana sy ny hitondra ny entana ny sarany. Lazaina avy eo fa rehefa tonga any Chine na any Maorisy na any Frantsa dia hisy olona hanatona ka handray io entana io. Ny loza dia indraindray mety zavatra tsy azo entina no ao anaty fonosana, izay efa tsy novahana intsony moa. Eo, ohatra ny volamena tsy voatefy, ny vato sarobidy, eny mety rongony ihany koa aza. Rehefa raikitra ny fisavana avy eo, dia ilay olona nanaiky nitondra ny entana no voasambotra sy hatao fanadihadiana, ary tena sarotra ny hanadio tena hoe : tsy entako io fa nampitondrain’olona hafa. Ianao amin’izany mety hilaza hoe tsy fantatro ny ao anatin’io . Vao miha hanahirana satria hanontany indray ny mpitandro filaminana sy ny mpiasan’ny fadintseranana manadihady hoe : zavatra tsy fantatrao akory ve dia nekenao hoentina ? Tena mila fitandremana noho izany io resaka manaiky mitondra entan’olona amin’ny fiaramanidina io satria mety vola 1 hetsy ariary saran’ny fitondrana no hampigadra sy hanimba ny fiainana iray manontolo.

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT