Nanaporofo ny namalian’ny fitondram-panjakana Malagasy ny antson’ireo mpamatsy vola hanatrika ny fivorian’ireo mpamatsy vola izay natao tany Paris farany teo fa mbola vonona hiara-kiasa amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ny mpitondrantsika, hoy ny DFP na ny vondrona politika dinika fanavotam-pirenena.
Namato-tena ny mpitondra satria ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo dia midika fa vonona ny hifamatotra amin’izay fifanarahana hifanaovana amin’ireo mpamatsy vola ny fitondrana Malagasy. Hanahirana ity safidy nataon’ny mpitondrantsika ity satria raha ny fihetsik’izy ireo dia tsy hahatanteraka na oviana ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola. Fanovana governemanta indray mantsy izao no heno fa hirosoana fa tsy fiaraha-mitantana. Raha izay no hatao dia hahitan-doza satria dia halaim-panahy ny fitondrana hiditra amin’ny “financement parallele” izay efa nampidi-kizo tamin’ny andron’ny profesora Zafy Albert, izany hoe, vola tsy hampiova na inona na inona amin’ny gasy fa hiditra any am-paosin’ny mpitondra fotsiny satria tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena. Hiteraka fahantrana vaovao aza izany, hoy izy ireo. Ny vahaolana dia na miroso amin’ny fiaraha-mitantana ny mpitondra na manao fifanarahana toy ireny teny amin’ny Panorama tamin’ny 1991 ireny. Ny zoma izao dia hanazava bebe kokoa mikasika iny fihaonana tany Parisy iny ny DFP.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.