Niteraka resabe ny sarimihetsika sokajiana ho mamoafady nandeha tamin’ny fahitalavitra tsy miankina I-BC omaly 11 martsa tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo.
Namoaka fanambarana ny Talen’ny famoahana taorian’izay, fa tsy nahazo alalana taminy ny fandefasana ilay horonantsary. Tahaka ny orinasan-tserasera rehetra, dia manana rafitra natao hanara-maso ny fandaharana ny fandaharana rehetra mandeha ny I-BC, ary mila mahazo fankatoavana izany. Nilaza araka izany ity orinasan-tserasera ity, fa sokajian’izy ireo ho fanimbana ny orinasa na « acte de sabotage » ny nampidiran’ireo mpiasa voakasik’izany ilay horonantsary tao anatin’ny fandaharana. Heverina fa misy firaisana tsikombakomba avy any ivelany ny nandefasana azy, ary tsikaritra ihany koa fa « compte fake » daholo no niezaka nanaparitaka momba izany tany anaty tambajotran-tserasera facebook. Manahy ny fisian’ny ambadika politika noho izany ny orinasa. Tsy hipetra-potsiny fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny ambaratongam-pahefana samihafa noho izany ny I-BC, izay nilaza fa hitory. Sady manimba no manohintohina ny lanja-tsaina maha-Malagasy nimatimatesan’ny orinasa tao anatin’ny 4 taona izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Naneho fialan-tsiny ho an’ny mpijery ny I-BC, ary nanambara fa handray andraikitra eo anatrehan’ny toe-javatra niseho. Maro ireo mihevitra rehefa mahita ny fomba fiasan’izao fitondrana izao fa o sahirana tanteraka ny fahitalavitra IBC noho ity raharaha ity.Azo antoka mantsy fa handray andraikitra ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ary mety hisy fitoriana hipetraka eny amin’ny fampanoavana ato ho ato. Efa tsy milamina rahateo rah any fantatra ny fifandraisan’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy sy ny tompon’ny IBC, Andry Raobelina, hatrizay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.