Actualités

Fandaniam-bola tany Toamasina Fanompana ny zana-bahoaka


  • Alakamisy 29 Septambra 2016

Feno olom-panjakana ireo hotely sokajy kintana telo no ho miakatra.

Rakotra karazana fiaramanidina tao Ambalamanasa, ny 4x4 mifamoivoy eran’ny tanàna manginy fotsiny. Ireo no hitan’ny olona maso, fiantraikan’ny rodoben’ny governemanta tao Toamasina nandritra ny telo andro, hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsy hita pesimpesenina ny fandanianam-bola naterany raha sandaina. Azo antoka anefa fa nahavita nanamboatra toeram-pitsaboana fototra sy sekoly fanabeazana fototra am-polony ny vola lany tany sy nanisy fampitaovana ireo sekolim-panjakana tsy manana na dia tamingana dabilio hanoratan’ny mpianatra aza, toy ny hita any Sarodrano kaominina ambanivohitr’i Vineta, distrika Sakaraha, ao Andamoty Sambava tampon-tanàna, any Manakara, tsy resahina ny any Antsalova ... Fanaterana “kits scolares” na koa fifanarahana arak’asa ho an’ny mpampianatra ve dia tsy maintsy anaovana lanonambe, anetsehana ny filoham-pirenena sy minisitra, fa tsy vitan’ireo solontenam-panjakana notendrena eny anivon’ny Faritra, nefa ventesina isan’andro ny fitsinjaram-pahefana ? Fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny koa raha tendrena izy ireny nefa tsy atokisana. Sa amin’ireny fizarana“kits scolares”, izay fiaraha-miasa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ireny, sisa no mba azon’ny mpitondra isehoana fa mahavita zavatra eto amin’ny firenena izy ireo ?

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT