Baraingo hatreto ny vola lanin’ny fanjakana Malagasy tamin’ireo olon-tsy fantatra niaraka tamin’ny filoha Rajaonarimampianina nizaha tany tany Istanbul ny volana mey 2016.
Tsy nahazoam-baliny mahafapo mantsy hatramin’izao io dian’ny delegasionina Malagasy notarihany tany an-toerana io izay nandefasan’ny firaisamonim-pirenena taratasy misokatra indroa miantoana ho an’ny filohan’ny Repoblika ny 8 jona 2016 ary nohamafisina ny 2 septambra 2016, araka ny fanamarihan’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena. Tsiahivina fa nitsipaka marindrano ny fividianana fiaramanidina kely misoratra amin’ny anarany andriamatoa Rajaonarimampianina Hery 5 volana lasa izay. Nanofa fiaramanidina kely anefa ny tenany sy ireo mpiara-dia taminy niatrika ilay fivoriana an-tampony momba ny maha-olona maneran-tany tany Torkia ny volana mey 2016. Voalazan’ny sasin-teny mazava ao anatin’ny Lalàmpanorenana ny fangaraharam-pitantanana sy ny maha-tompon’andraikitra feno ireo manam-pahefam-panjakana ho fampandrosoana maharitra sy tsy manavaka ny fiarahamonina Malagasy. Fepetra toa tsy voahajan’ny filohan’ny Repoblika raha ity tranga fandaniam-bolam-bahoaka mistery amin’ny mpiray tanindrazana ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.