Nitohy omaly alatsinainy maraina teny Andravoahangy sy ny manodidina, Boriborintany fahatelo ny asa fandaminana tsena tanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ankoatra ny fisavana ny taratasin'ny mpivarotra dia noravana ihany koa ireo tranohazo tsy nahazoana alalana toy ireo naorina anaty lalan’ny mpandeha an-tongotra. Ankoatra izay dia nandresy lahatra ireo mpivarotra ivelan'ny tsena mba hiditra ao anatin'ny tsena ihany koa ny kaominina. Nialohavan’ny fampiomanana nalefan'ny tompon’andraikitra avy amin'ny boriborintany izany raha tsiahivina. Ny alin’ny alarobia 21 sy alakamisy 22 septambra no efa nanombohana ny asa teny Besarety, Avaradoha sy ny manodidina, tanterahin'ireo ekipa ahitana olona 80 lahy tarihin’ny lehiben’ny polisy monisipaly, ny tompon’andraikitra avy ao amin'ny Boriborintany fahatelo ary ny teknisianina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.