Voin-kava-mahatratra ny fahatongavan’ny andro ratsy naha tondra-drano teto amin’ny firenena ary miara-miombom-pihetseham-po amin’ireo niharam-boina teto amin’ny firenena
ny vahoakan’i Midongy Atsimo, hoy ny depiote Tovondray Retsanga Brillant De L’or. Nandalovan’ny rotsak’orana koa any an-toerana. Ho an’ireo manao voly vary tsy mbola manara-penitra, vao miakatra ny rano, indrindra iny volana desambra iny, ka tsy mbola voajinja ny vokatra dia sarona ao, hoy ny fanazavany. Ho an’izay manao voly vary an-tanety kosa dia faly fa nahazo orana. Midi-droa ny zava-misy ho anay satria malahelo izay manoloana ny mahazo ny avaratry ny nosy nefa faly koa fa nahazo orana. Ny faritra atsimo moa dia milevin-drano ary mangetaheta ranon’orana ka faly izy rehefa tonga ny orana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.