Nahafa-po ny fampiharana ny fandaharanasa «Go Teach Madagascar» tao anatin’ny 5 taona niarahan’ny DHL sy SOS Villages d’Enfants Madagascar nanatontosa. Programa noforonina teto Madagasikara tamin’ny taona 2009 ary misandrahaka manerana ny firenena 24 ankehitriny ary hotohizana hatramin’ny taona 2018.
Nohavaozina mandritra ny herintaona kosa izany ho an’ny firenena malagasy mandritra ity taona 2015 ity. Mitentina 27.000 euros ny famatsiam-bola hanatanterahana ny tetikasa fanomanana arak’asa ireo zatovo ao anatin’ny 12 volana. Notolorana diplaoma mari-pankasitrahana ihany koa ireo tanora 9 mianadahy avy eto Antananarivo sy Toamasina nahavitra ny fianaran’asa tamin’ny taona 2014 nandritra ny lanonana fifanaovan-tsonia teo amin’ny tale jeneralin’ny orinasa DHL Madagascar Rakotondraibe Mamy sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana SOS Villages d’Enfants Madagascar Raharinarivonirina Maria teny Ankorondrano omaly. Miisa 4 ankehitriny ireo tanora avy amin’ny SOS Villages d’Enfants miasa raikitra ao amin’ny DHL Madagascar. Mahatratra 70 indray izy ireo no nahazo traikefa hatramin’ny taona 2009.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.