Actualités

Fanazavana momba ny TNT Tsy nisy tonga nanatrika ireo tompona haino aman-jery


  • Talata 23 Septambra 2014

Tetikasa tsy maintsy tanterahina na dia amin’ny ampahany ihany aza ny fametrahana ny Television Numérique Terrestre eto amintsika, hoy ny minisitry ny serasera Reboza Cyril. Mitovy amin’ny fanoloana ny diska taloha ho lasa CD io, hoy hatrany izy ka tsy tokony hampieritreritra be loatra ny mpanjifa

. Nisy ny fanazavana azy ity niantsoana ireo tompona haino aman-jery rehetra eto amintsika omaly saingy tsy nisy tonga izy ireo. Amin'izy ireo dia zavatra tsy mbola maika izany. Ny tena maika, hoy hatrany izy ireo dia ny fanatsarana ny fidiram-bolan'ny isan-tokantrano mba hahazoany mahazo vaovao amin'ny alalan'ny TNT raha toa ka tsy maintsy tanterahina izany. Nambaran-dRandriamaromanana Todisoa, tompon'andraikitry ny TNT omaly ary fa tsy misy volabe aloan'ny tompona haino aman-jery izany ny fanatanterahana azy io. Tsy misy fitsetsefana ny mpanjifa ihany koa satria dia mbola azo hampiasaina hatrany ireo fahitalavitra hampiasain'ny rehetra amin'izao. Manana safidy tsara ny tsirairay, hoy ihany izy ary miankina amin'ny fahefa-mividiny.

Fanatsarana

Raha ara-teknika dia fialana amin’ny fahitalavitra “analogique” mankany amin’ny “Numerique” no antsoina hoe TNT. Hisy ny fanatsarana ny sary, ny fitaovana ary ny trano fiasana ka ny Tvm sy ny Rnm no voalohany amin’izany. Kendrena ho miompana amin’ny sosialy sy ny toekarena ny fandaharana ao anatin’ity fahitalavitra vaovao ity ary ny sinoa no miantoka ny famatsiana ara-pitaovana sy ny fanofanana ireo teknisianina hiasa amin’izany. Arahin’ny fanamboarana ny trano fiasana na ny “Studios” izany rehetra izany mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia tokoa. Ahitana “Chaines” 47 ao anatin’ny TNT ary nomena toerana manokana amin’izany ny minisiteram-panjakana tsirairay sy ny masoivoho miasa eto amintsika.  Tsy maintsy amin’ny teny Malagasy avokoa ny fandaharana rehetra ao anatiny, araka ny fanazavana azo ihany. Raha amin’ny teny vahiny anefa  ny fandaharana dia tsy maintsy  asiana ny dika soratra amin’ny fiteny malagasy eo ambaniny na “Sous-titrage”.  Marihana fa tsy tonga nanatrika ity famelabelarana ity ny tompona haino aman-jery misy eto Antananarivo na dia efa nandefasana fanasana aza. Tsara ny manamarika fa ato anatin’ny roa taona dia “Box décodeur” manodidina ny 1 000 000 isa no haparitaka manerana ny Nosy ho an’izay liana amin’ny fanarahana ny TNT. 6.000 Ar kosa no sarany aloa isam-bolana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

Hijery ny tohiny
FTT