Tokony hisy politika sy fikarohana akora vaovao mikasika ny fampiroboroboana ny asa tanana eto amintsika, hoy ny tale jeneraly misahana izany eto amintsika, Julien Rakotonaivo.
Nasongadiny tamin’ireo ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny IFM Analakely omaly ny fanodinana ireo fako, toy ny plastika sy gazety tranainy, indrindra ny tsikafona. Hiteraka asa ho an’ny mpanao asa tanana izany, raha ny fanazavany, ary hanavotra ny tontolo iainana. Mifandraika amin’io moa dia nampahafantarina teny an-toerana ihany koa omaly ny fampiantranoantsika ny hetsika iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana sy ny zava-maniry ary ny loko ny 15-20 mey ho avy izao. Firenena 24 no handray anjara ao ary ahitana manampahaizana miisa 65.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.