Mbola hita sy manjaka eny anivon’ny fiaraha-monina Malagasy ny fanavakavaham-bolon-koditra ka tsy vitsy ireo mitondra takaitra vokatr’izany.
Any amin’ny toeram-piasana ohatra dia mbola mipetraka hatrany ho an’ny orinasa sasany ny hoe : fotsy sy ny mainty. Toraka izany koa ny tso-bolo, sy ngita volo…izay tsiahivina fa manimba fiainan’olona no sady vato misakana ho an’ny fampandrosoana ihany koa. Ho ana tanora tovovavy iray nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia tanindrazana ohatra dia tena nangidy taminy ny fandavan’ny orinasa iray handray azy hiasa noho izy mainty fihodirana. Raha ny nambarany dia efa hatrany am-pianarana fony fahazaza no niharetany izany. Sady sahirana ara-pivelomana mantsy izy no mainty ihany koa ka sady nanilika azy ny mpiara-mianatra taminy no nanao ny nataony ihany koa ny mpampianatra. Na izany aza anefa dia nikiry hatrany izy ary niezaka nanangana orinasa kely ho an’ny tenany ankehitriny. Marihana anio alakamisy 21 martsa ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Ny tao Afrika atsimo moa no tena nalaza ratsy tamin’ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra, ary tena am-polo taonany ny fampihavanam-pirenena nataon’izy ireo mba handaminana ny fiaraha-monina sy hanoherana io fomba tsy mety io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.