Actualités

Fanatsarana ny tontolon'ny kabary 10 mianadahy niatrika fiofanana manokana


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Mba hahafahana mampitovy ny rafitry ny kabary eto Madagasikara dia mpampianatra mpikabary am-polony maro no niatrika fiofanana manokana ary notolorana ny mari-pahaizana avy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina ny faran’ny herinandro teo.

               

 Ny Federasionan’ny mpikanto ny teny sy ny soratra no tompon’antoka tamin’izany. Anisan’ny voakasika ireo mpampianatra mpikabary 20 mianadahy mianaka avy eo anivon’ny Ampinga izay fantatra amin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : “hampandroso hatreny ifotony ny teny sy ny soatoavina Malagasy”. Tanjon’ny Ampinga raha araka ny fanazavan’ny filohany Mitahirifahendrena  ny mba hahafahan’ireo mpampianatra ao aminy manatevina hatrany  ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ankoatra ireo toerana fampianarana  kabary telo sahaniny eto an-drenivohitra mantsy( LTP Alarobia, ANS Ampefiloha, Lycée privée Phanoelly Talatamaty) dia hanitatra any amin’ny faritra ihany koa izy ireo amin’ity taona ity ka ny roa any Antsirabe raha eto Antananarivo ihany ny telo ambiny. Tsiahivina fa mampianatra kabary maimaimpoana ho an’ireo izay liana Ny Ampinga.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT