Actualités

FANATSARANA NY TONTOLON'NY ASA Hikatsaka paikady hanampiana ireo tanora ny Minisitera


  • Alarobia 08 Oktobra 2014

Tafiditra ao anatin'ny politikan'ny minisitera misahana ny fiofanana arak'asa sy ny fampianarana teknika amin'izao ny fanatsarana ny tontolon'ny asa. Lohalaharana amin'izany ny famolavolana ilay drafitra nasionaly ho an'ny asa sy ny fiofanana na ny PANEF taorian'ny fijerena manokana ny tontolon'ny asa notanterahina teny amin'ny efitrano fandraisana firenena iraisam-pirenena eny Ivato ny volana Jolay lasa teo.

Tamin'io fotoana io no nanapahana fa hisy ny hetsika hatao hahafahana mampandroso ny resaka fiofanana arak'asa eto amintsika mba hananan'ny tsirairay traikefa mifandraika amin'izany. Ho tohin'io atrikasa io ary dia hanatanteraka fikaonan-doha hiarahana amin'ny mpampiasa indray ny Minisitera manomboka ny zoma ho avy izao. Anisan'ny lahadiniky ny roa tonta mandritra izany ny hoe : karazana ankizy sy tanora toy ny inona no ilain'ny mpampiasa amin'izao ? Inona avy no mari-pahaizana na traikefa takian'izy ireny hahafahan'ny ankizy miditra amin'ny sehatry ny asa avy hatrany. Haharitra roa andro ity fikaonan-doha ity, hiarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka maro samihafa toy ny Tic izay misahana ny fikirakirana ireo teknolojia avo lenta, ny BIT, ny afd...

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT