Hanisa ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahan-tany eto Madagasikara ny Ministeran’ ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny fampahafanatarana any toetr’andro amin’ny 08 Aprily 2019.
Tanjona ny hampiroboroboana sy hanaovana matihanina hatrany ny sehatra fizahan-tany ka ampahafantarina daholo ireo mpisehatra ara-dalàna na ireo tsy manana ny fahazoan-dalana. Takiana amin’izy ireo araka izany ny anaran’ny Hotely sy ny fisakafoanana miampy ireo mpitari-dalana (guide) rehetra. Ankoatr’izay dia tokony ho fantatra ihany koa ny anaran’ny tompony sy ny mpitantana ny Hotely. Eo ihany koa ny adiresin’ny toerana miaraka amin’ny faritra, distrika ary ny kaominina misy ilay Hotely. Manaraka izany dia tsy maintsy fantarina ihany koa ny daty sy ny mombamomba ary indrindra ny fahazoan-dalana ananan’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.