Avy amin’ny hetra avokoa ny 40% amin’ny vidin-tsolika, ka tokony hahena io hetra io satria miankina amin’io vidin-tsolika io avokoa ny vidin-javatra eto amin’ny firenena.
Tokony hotazonina ihany koa ny lanjam-bola Malagasy rehefa ampitahaina amin’ny vola vahiny mba hahafahana mampifanaraka ny vidin-tsolika eto amintsika amin’ny any ivelany. Mifamatotra hatrany ny resaka vidin-tsolika sy ny fitateram-bahoaka ka mandrahona hampiakatra saran-dalana indray ny mpitatitra eto an-drenivohitra manomboka ny 15 desambra izao noho ny tsy mbola naharaisan’izy ireo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny olana lehibe dia ny nanomezana ny asam-bahoaka ho an’ny sehatra tsy miankina kanefa ny fanjakana no hitantana azy, hoy Rabetsara Lita, mpitarika ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC. Tokony hisy ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena mba hiantsoana ireo mpandraharaha vonona hiara-kiasa amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitateram-bahoaka eto amintsika. Tsy araka ny sarany naloa hatramin’izay mantsy ny tolotr’asa ataon’ny mpitatitra ary tsy tokony hanaiky lembenana amin’izany ny vahoaka. Tokony hapetraka ihany koa ny bokin’andraikitra momba ny fampiakarana saran-dalana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.