Notanterahina tetsy amin’ny foiben’ny FAO Ankorahotra omaly ilay atrikasa vatsian’ny FIDA vola tontosain’ny FAO momba ny fitiliana sy fijerena akaiky ny fambolena azo hataO
isam-paritra eto amintsika, tetikasa efa nanomboka herintaona izao. Anisan’ny jerena akaiky amin’izany ny fahazoan’ny faritra rano araka ny tokony ho izy, ny fomba fambolena miaro ny nofon-tany hahafahana manampy sy manohana ireo tantsaha mpamokatra. Anisan’ny manatevin-daharana amin’izany ireo manampahaizana eo anivon’ny FAO izay miara-mikaon-doha amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amintsika. Alefa eny anivon’ireo rafitra mpanapa-kevitra ireo fanadihadiana efa natao hatramin’izay mikasika ny faritra iray mialoha ny handraisan’ireo mpamatsy vola fanapahan-kevitra momba ny vola omeny. Tonga nanokatra ny fotoana tamim-pomba ofisialy ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fambolena Randriaritiana Pierrot Serge. Anisan’ny nodinihina sy nanaovana fanamarihana tamin’io andron’ny omaly io ihany koa moa ny firafitry ny tany eto Madagasikara sy ny fiovaovan’ny toetr’andro hahafahana manao fambolena mifanaraka amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.