Karazana boky miisa efatra no navoakan’i Michel Dumand entina hanatsarana ny tontolon’ny baolina kitra eto Madagasikara
. Hotsinjaraina amin’ireo filohan’ny ligin’ny baolina kitra isam-paritra ireo boky ireo ary natonta tamin’ny fiteny frantsay sy alemana. Hita ao anatin’io boky io ny paikady amin’ny fanatanterahana ny fanazarantena sy ny tokony hatao rehetra eo ampiatrehana ny lalao. Ny tanjon’ity manampahaizana momba ny baolina kitra avy amin’ny FIFA ity ny hampitombo ny traikefan’ireo mpanazatra sy ireo mpitia baolina kitra eto
Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.